<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L.M. Lindeman</author>
<title>Raha manahy ny fanahy FFPM557</title>
<lyrics>[V1]
 Raha manahy ny fanahy
 Azom-pahoriam-be,
 Ka ny aina mitaraina,
 Ranomaso mitete,
 Aza ketraka etý.
 Fa tazony ny arý.

[V2]
 Ao miharo feo maro,
 Fatratra ny hira ao ;
 Ao mifaly ny nijaly,
 Ory teo, ravo izao ;
 Ao Jesosy Zokinao
 Faly hovantaninao.

[V3]
 Hazon'aina tsy mba maina
 No maniry tsara ao,
 Voninkazo tsy halazo
 No ho fifalianao ;
 Faly ny nandre izao,
 Mainka fa ny tonga ao.

[V4]
 Ry Mpamonjy, ho tra-bonjy
 Anie ny olonao !
 Fa maniry ny tahiry
 Ao an-danitra aminao ;
 Mba faingàna Hianao
 Haka ny malalanao !</lyrics>
<hymn_number>557</hymn_number>
</song>